Service & Consommation

Alerte, doléance ou coup de gueule à propos des arnaques, services ou qualité de service pour le public et la consommation en général

 Cliquez sur la photo pour l'agrandir

Publiée par misao — Le 12 avril 2017

Hafatra ho an'ny mpivarotra hani-masaka : aza tia kely wa nareo

Hafatra miantefa ho an'ny mpivarotra hani-masaka indrindra ireo mpivarotra sakafo atoandro. Aza tia kely ianareo, mba ataovy mifanaraka amin'ny vidin'ny sakafo ny habe sy hatsaran'ny sakafo amidinareo. Marina fa lafo ny fiainana ary hanenjika tombom-barotra no tanjona, saingy mba jereo ihany ny zavatra atolotrareo ny mpanjifa fa aza dia mananararaotra be loatra e. Misy mantsy plat amin'ireny efa vidina lafo nefa mbola tsizarizary, ohatra ity zao mi-sao spécial hono io amidy 4000 Ar, tsy lazaiko ilay toerana, fa pate be menaka ilay izy, zara raha misy legume sy crevette telo. Mahamenatra fa ilay oeuf sur plat aza tsy foy lay atody ray fa mbola zaraina. Iza no manao oeuf sur plat antsasaka atody zaraina zany rah tsy ny gasy? Na 250 Ar (atsasaka atody iray) aza ve tsy foinao ho anlay client, nefa izy efa asainao mividy 4000 Ar ?? Ny sasany moa dia tsy menatra mampiasa karibonetra mba hampitombo anle vary. Atsipy ny teny . Mazotoa homana
  • 2 commentaires

    néné — Ajouté Il y a 2 ans

    izany no mahatonga ny tsenan'ny gasy tsy maharitra satria tsy mitany ny kalitao amin'ny voalohany - fa tsy tonga any amin'ilay hotely ange ito hafatrao ity fa mijanona eto e hi h hi hi

    • 0 
    • 0 
    malagasy — Ajouté Il y a 2 ans

    manohana tanteraka ny teninao...mba mila mivoatra kely ny toe-tsaina fa tsy miforetaka @ tany fona hany ka lasa ambanin ny olona

    • 0 
    • 0 

    Ajouter un commentaire

    Votre adresse mail ne sera pas publiée.