Insécurités

Témoignez ici les insécurités que vous avez vécues ou entendues autour de vous (agression, vol, attaque à mains armées, banditisme ...)

 Cliquez sur la photo pour l'agrandir

Publiée par alban — Le 16 août 2017

Lalao baolina kitra niafara tamin'ny vono olona sy doro trano

Fifaninanana baolina fokontany ilay raha, tao amin'ny fokontany Anketraky Toliara ny alahady teo.
Tsy namelàna raha tsy hita ny tranon'ilay lehilahy namono ny baolina izay nitondra fandresena tamin'ny ankilany.
Rehefa izany dia nidirana an-keriny tao izy ary nofiraina antsy tamin’ny lohany. Tsy nionona teo ireo olona fa mbola nodorana ihany koa ny trano fonenany. Izany no nitranga afak’omaly tany Toliara taorian’ny lalao ara-panatanjahantena baolina kitra. Nifamaly ny olona teo anivon’ny ekipa resy ary tapaka hatramin’ny hoe hovonoina ilay lehilahy nitondra ny fandresena, izany hoe ilay namono baolina. Dia notontosain’ireo tokoa izany ary tamin’ny fandorana trano dia niitatra ny afo ary niantefa tamin’ny tranon’olona teo amin’ny manodidina. Vokatr’izany dia ilay tanàna mihitsy no may. Tezitra mafy ny mponina ao amin’ilay fokontany voalaza ary miantso ny manam-pahefana mba hijery akaiky ny raharaha. Ahiana hiteraka ady eo amin’ny samy mpiara-belona tokoa ny raharaha toa izao raha tsy miditra an-tsehatra manelanelana faran’izay haingana ny tompon’andraiki-panjakana.

source : moov.mg
  • Soyez le premier à laisser un commentaire

    Ajouter un commentaire

    Votre adresse mail ne sera pas publiée.