Article comportant le tag #DAHALO

  •  Cliquez sur la photo pour l'agrandir

    Publiée le 28 août 2017 par kamisy

    Diam-bala efa ho sivy no naha-trobaka an'ity taxi-brousse Sprinter mampitohy an'i Fianarantsoa sy Antananarivo ity.
    Voalaza fa niala avy aty Antananarivo izy ity ka nony efa hiditra an'i Fianarantsoa, tanàna iray atao ho Iboaka no nitrangan'ny loza...    Lire la suite

  • Publiée le 25 juillet 2017 par insec

    http://www.midi-madagasikara.mg/faits-divers/2017/07/25/fanafihana-mitam-piadiana-ramatoa-mpamatsy-kalach-ireo-jiolahy-voasambotra/   

    Fanafihana mitam-piadiana : Ramatoa mpamatsy « kalach » ireo jiolahy, voasambotra – Midi Madagasikara
    Ny herinandro lasa teo no voasambotry  ny pôlisy avy amin’ny sampana misahana ny heloka bevava ny olona roa, izay atidoha amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana mahery vaika an’ireo andian-jiolahy mirongatra eto amintsika. Araka ny fanazavana azo dia vehivavy ny iray amin’izy ireo izay fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Clotilde ». Tamin’ny alalan’ny laharana an-tariby nifandraisan’ity vehivavy ity sy ireo olon-dratsy no nahafahana nisambotra ity ramatoa ity. Tamin’ny fisavàna ny tranon’ity farany dia mbola nahitàna balana « kalach » miisa 175 tany aminy ary vodin’ity basy mahery vaika ity. Tamin’ny fanadihadiana ity farany no nanoroany ny namany iray antsoina hoe Sely, izay mpiray petsapetsa aminy amin’ny famatsiana basy ireo olon-dratsy. Fa isan’ny iray nahafahana nahafantatra ireto mpamatsy basy jiolahy ireto ihany koa ny fahasamborana olon-dratsy iray fantatra amin’ny anarana hoe Ifalia, izay voasambotra teto Antananarivo. Ity farany dia isan’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tany amin’iny faritra Antsohihy, Mampikony ary Mahajanga iny. Nanamafy moa ity olon-dratsy ity tamin’ny fanadihadiana azy fa io ramatoa iray antsoina hoe « Clotilde » io no tena mpamatsy basy azy ireo. Efa samy nentina teny anivon’ny Fampanoavana moa ireto olona roa atidoha tamin’ny fanaparitahana fitaovam-piadiana mahery eny an-tanan’ny jiolahy ireto ary efa samy nadoboka eny Tsiafahy avokoa. I Ifalia kosa dia nomena ireo pôlisy any Mahajanga izay misahana ny famotorana azy sy ireo namany.
  • Publiée le 21 juillet 2017 par ndam

    http://www.midi-madagasikara.mg/faits-divers/2017/07/21/anjiro-ankizy-nofaninny-ray-aman-dreniny-ho-dahalo/   

    Anjiro : Ankizy nofanin’ny ray aman-dreniny ho dahalo – Midi Madagasikara
    Olona fito no natolotry ny zandary teo anivon’ny fampanoavana, ny harivan’ny 18 jolay 2017.Ny telo mpanao ny asa fanafihana  miaraka amin’ny antsy sy vato,ka zaza 13 taona ny iray, ny roa kosa ray niteraka azy ireo efa samy 60 taona avokoa mpijery izay olona mety handalo, aorian’ny fanafihana ka mitondra ny halatra hoentina mody any an-trano ary  ny roa olona efa mpanao asa fivelomana amin’ny fivarotana akoho sy kisoa.Ny alin’ny alarobia 12 jolay 2017 tokony ho tamin’ny 11 ora no nanomboka ny nanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ampanarianjony ao anatin’ny kaominina Anjiro.Tokantrano manana fiompiana akoho sy kisoa no lasibatr’ireto olon-dratsy ireto. Efa tamin’ny volana may 2017 teo no efa nisy tratra ny naman’izy ireo ary naiditra am-ponja noho izany . Mialoha ny hahatongavany tao amin’ilay tokantrano hotafihina, dia  tao amin’ny fokontany Mahasoa izay nandalovan’izy ireo no efa nanaitra olona ny fivovon’ny alika ka nahatonga ilay zokiolona 74 taona hitazana teo am-baravarankely no notorahan’ ireo jiolahy ny vato ka voa mafy ny masony havanana. Tsy naharitra izany ny zanany lahy ka nifanohitra tamin’ireo olon-dratsy ary dia naratra ihany koa. Mamoiny amin’ny toaka ny kisoa ary teo am-panaovana izany no izao saron’ny fokonolona izao.Miara-miasa akaiky ny vahoaka ao anatin’ny kaominina Anjiro sy ny zandary ao an-toerana ka tsy niandry ela dia izao tra-tehaka izao avokoa izay rehetra.
  •  Cliquez sur la photo pour l'agrandir

    Publiée le 03 juillet 2017 par rasamy

    Nisioka sifflet ny dahalo no niditra tamin'ny tanàna iray tao amin'ny kaominina Tritriva-Betafo ny sabotsy alina tokony ho tamin'ny folo ora sy sasany.
    Raikitra ny fifanjevoana ka tsy nobahanan'ny dahalo tsy hivoaka ny trano ny iray tanàna nefa le...    Lire la suite

  •  Cliquez sur la photo pour l'agrandir

    Publiée le 06 juin 2017 par ambala

    Ben'ny tanàna ao Ambalakindresy maty voatifitra ary notsatotsatohana antsy, ary tsy izy irery no maty tamin'izany fa nisy lehilahy iray koa niaraka maty taminy.
    Tsy fantatra mazava ny anton'ny nahatonga izao fahafatesana izao fa raha ny vaovao azo ...    Lire la suite

  • Publiée le 12 mai 2017 par reepicheep

    Ady tsy mety ho tapitra mihitsy ity asan-dahalo ao atsimo ao ity. Raikitra indray ny fifandonana teo amin'ny zandary miaraka amin'ny fokonolona sy ireo dahalo tany Betroka. Tsy mifampitsitsy mihitsy anefa izay mahatratra na ny tompon'ny Omby na ireo ...    Lire la suite