Article comportant le tag #FANAFIHANA

  •  Cliquez sur la photo pour l'agrandir

    Publiée le 28 août 2017 par kamisy

    Diam-bala efa ho sivy no naha-trobaka an'ity taxi-brousse Sprinter mampitohy an'i Fianarantsoa sy Antananarivo ity.
    Voalaza fa niala avy aty Antananarivo izy ity ka nony efa hiditra an'i Fianarantsoa, tanàna iray atao ho Iboaka no nitrangan'ny loza...    Lire la suite

  • Publiée le 27 juillet 2017 par reepicheep

    Jiolahy miisa 5 no nanafika toeram-pivarotana iray teny Andraisoro ny Talata hariva ka nipoapoaka eran'ny tanàna ny basy.
    Araka ny fanazavana azo dia tokony ho tany amin'ny 6ora sy sasany hariva tany no nitranga ity fanafihana ity. Vokatr'izany set...    Lire la suite

  • Publiée le 05 juillet 2017 par vaovao

    http://www.midi-madagasikara.mg/faits-divers/2017/07/05/fanafihana-teny-sabotsy-namehana-zandary-iray-polisy-iray-ary-miaramila-roa-nadoboka-am-ponja/   

    Fanafihana teny Sabotsy Namehana : Zandary iray, pôlisy iray ary miaramila roa nadoboka am-ponja – Midi Madagasikara
    Ireo sasantsany, voalaza fa natao hiaro ny vahoaka mihitsy ity no tena namohehatra. Zandary iray mitondra ny grady adjudant, pôlisy mitondra ny galonana « inspecteur », ary miaramila roa izay samy « sergent chef », ary samy miasa eny anivona andrim-panjakana iray avokoa, no indray nadoboka am-ponja omaly rehefa niakatra teny anivon’ny Fampanoavana Anosy. Izy efa-dahy ireto dia voarohirohy tamina resaka fanafihana, izay nitranga teny Sabotsy Namehana. Raha ny zava-nitranga dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra iny, ny tapatapaky ny volana jona lasa teo. Mpivarotra iray no lasibatra tamin’izany. Nofatoran’izy ireo ny mpiambina ary lasan’izy ireo ny entana maro isan-karazany niaraka tamina môtô iray. Taorian’ny fanafihana dia nanapa-kevitra ny haka alika mpitsongo-dia avy hatrany ny tompon’ilay fivarotana. Teny an-dalana haka izany teny Ivato anefa, no nifanena tamina olona nanosika môtô feno entana ireo zandary sy ny tompon-trano. Nilaza avy hatrany ity farany fa iny ilay môtô very. Niroso tamin’ny fisamborana ireo telolahy nitondra ilay môtô ireo zandary saingy nitsoaka avy hatrany izy ireo. Voatery nanapoaka basy mihitsy moa ireo farany saingy nanohy ny fitsoahany ihany ny roa raha nibaboka kosa ny iray. Tamin’izay no fantatra fa miaramila ity farany. Nentina nanaovana fanadihadiana ity voasambotra ity ka tamin’izany no nanondroany ireo namany, izay samy mpitandro filaminana avokoa. Ary voamarina tao anatin’ny findain’ity farany avokoa moa izany. Sendran’ny tsy nampoizina anefa ireo mpanao fanadihadiana ary dia tafaporitsaka indray ity miaramila ity. Ary tsy hita tany nanjavonana hatreto. Efa mandeha ny fikarohana azy. Nitohy kosa tetsy andanin’izay ny fanadihadiana nataon’ireo olona voalaza ho namany, izay nahitàna an’ireto mpitandro filaminana efa-dahy ireto. Nisy ihany koa sivily efatra, izay tsy iza fa ireo mpiambina an’ilay tranombarotra ihany niaraka tamina tovovavy iray, voarohirohy tamin’ity resaka ity ary niaraka nentina teny anivon’ny Fampanoavana omaly. Ireto farany izay nahazo fahafahana vonjimaika araka ny fantatra hatrany.
  •  Cliquez sur la photo pour l'agrandir

    Publiée le 03 juillet 2017 par rasamy

    Nisioka sifflet ny dahalo no niditra tamin'ny tanàna iray tao amin'ny kaominina Tritriva-Betafo ny sabotsy alina tokony ho tamin'ny folo ora sy sasany.
    Raikitra ny fifanjevoana ka tsy nobahanan'ny dahalo tsy hivoaka ny trano ny iray tanàna nefa le...    Lire la suite

  • Publiée le 14 mars 2017 par fianarois

    Tsy milamina ny eto amin'ny faritry Betsileo amin'izao fa dia tsy mandeha irery intsony ireto olon-dratsy rehefa manao ny asa ratsiny fa dia mandeha maro.

    9 Ireto jiolahy nanafika tao Ankofafa Fianarantsoa ary ny iray dia lavo voatifitry ny polis...    Lire la suite

  •  Cliquez sur la photo pour l'agrandir

    Publiée le 26 décembre 2016 par reepicheep

    7 mirahalahy ireto mpanao ratsy tena mandravarava amin'ny faritra Menabe iny. Voatifitry ny mpitandro ny filaminana ny iray, ny 2 azo ka matin'ny fokonolona ary ny 4 sisa kosa lasa nandositra.

    Mampikaikay ny tanànan'ny Namahora Sud ao Morondava m...    Lire la suite

    menabe — Il y a 3 ans

    Ity ny vidéo an'ireo: https://www.facebook.com/herinirina.claudemamypiarmon/videos/242463706188007/

    • 0 
    • 0